Efa hitanao izao tontolo izao
Ka sahinao ny mitsara ny vahoakako
Kanefa dinio mety mbola gaga ianao
Noho ny zavatra mbola tsy hainao
Tonga eto ianao hitaky ity tany ity
Fa tsapanao aloha ve ny ainy
Henoy tsara fa mety ho renao
Ny fony ny fanahiny ny anarany
Heverinao fa ny toa ianao irery
No mendrika antsoina olona
Kanefa raha manaiky diso ianao
Ho hitanao ilay fahalalana vaovao
Ny fiaraham-peo ny volana sy ny tany
Azonao ve ny antony hirainy
Hainao ve ny mikalo ny hiran'ny rahona
Sahinao ve ny mandoko ny rivotra
Sahinao ve ny mandoko ny rivotra
Andao hiazakazaka any an-tsaha
Andinika izay miafina ao
Andao hijery ireo haren'ny tany
Fa aza asiana fitsiriritana
Havako ny varatra sy ny orana
Ny zavaboary rehetra avokoa
Ka samy mifandray daholo izahay
Ao anaty aina tsy mety tapitra
Hatraiza no hitombo
Ny aviavy raha toa ka tapahanao izy
Ny fiaraham-peo ny volana sy ny tany
Hainao ve ny mikalo ny hirany
Mino aho fa raha sokafinao ny fonao
Ho hitanao izay tsy hitan'ny masonao
Fa sokafy kely re ny fonao ary tsapao
Ny fomba fandokona ny rivotra