Ny hatsiaka sy ny aizina sisa
No eo anatrehako
Toerana manirery
No anjakaiko
Izao aho vao tonga saina fa na dia irery aza aho
Tsy niena ny hery miafina ao anatiko ao
Nasaina nalevina nasaina tofofana
Amin’ny alalan’ny tsiky sandoka
Aza atao hita aza aseo
Kanefa ho hitanareo
F’indreto aho
Ity aho
Tsy misy antony hanafenako
F’ity aho
Ity aho
Tsy manankery intsony ny henatro
Tsy raharahiko izay lazain’olona
Avelao hisioka ny rivotra
Io hatsiaka kely fotsiny io moa maninona
Mahagaga fa vao nolavina aho
Vao nisava ny tahotra
Lasa ilay tahotra
Nahatonga ahy tsy tafa-mietsika
Tonga ilay fitoana
Hanandramako
Izay hery rehetra
Ao anatiko
Tsy mety ferana intsony
Ny hery ao
Asehoko izao
F’indreto aho
Ity aho
Iray amin’ny rahona sy ny lanitra aho
Ity aho
Ity aho
Ny heriko dia aseoko izao
Fantatro fa hijoro eto hatrany aho
Hitanareo amin’izao
Maniditsidina ao ambony ao ny fanahiko
Miodikodina manidina ny heriko
Izao aho vao mahatsapa fa matanjaka aho
Ka ahoana intsony no hiverenako
Ity aho
Ity aho
Tsy hiova amin’izao intsony
Ity aho
Ity aho
Tsisy hafatsy hery intsony ny ao anatiko ao
Alaiko ny anjara masoandroko
Hitoetra hatrany aho
Iny hatsiaka kely iny moa naninona?